4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miandry foana - Rija Ramanantoanina

Nandrasako ho tonga maraina gina foana teo aho

Nandroso hisakafo aho ny atoandro nangina ilay seza

Niandry handondona ihany aho ny hariva nandini-baravarana

Tsy tonga ianao tsy tonga ianao nipitrapitra teo aho



Fetiko androany fetiko androany, dia tsy tsaroanao ve?

Sa ninianao hoadinoina tsotr’izao fa inona no antony?

Fandrao dia tsy tianao intsony aho tsy manahy lazao ahy (2)



Raha toa izany raha toa izany hivavaka aho ho antsika

Mahazoa zay rehetrarehetra mety ilaina ianao ny anjarako fa vita

Ny sombin’ny tsara azo avy amiko no iriko ho tehirizinao

Ny soa sy ny tsara azo avy amiko no iriko hovimbininao



Antenaiko ho tonga rahariva ilay kintan-kely anjarako

Fa na handao aho izy ampitso inoako fa hipody indray

Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita

Tsy tonga ianao rehefa tsy tonga ianao tsy hipitrapitra intsony aho

Partager miandry foana

Commenter miandry foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite